Overblog
Edit post Follow this blog Administration + Create my blog
Président Hery Rajaonarimampianina

Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7

February 8 2014 , Written by Hery Rajaonarimampianina

Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7
Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7

Kianja mitafo Mahamasina, 7 Febroary 2014. Na dia tsy nanatrika ny fotoam-pahatsiarovana ny faha-dimy taonan’ny vono moka nitranga ny 7 Febroary 2009 -teo anolohan’ny Lapam-panjakanan’Ambohitsorohitra, nahafatesana sy nandratrana olona maro-, dia nandefa taratasy ho an’ny Fikambanana AV7 (Association des Victimes du 7 février) ny Filohan’ny Repoblika faha-IV, Hery Rajaonarimampianina.

Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7

Ny Dokotera Kolo Roger Christophe no nanolotra ilay taratasy, ary ny Filohan’ny AV7, fa Andriamatoa Boana Jean Pierre Rafaramandimby no namaky azy. Izao ny votoatin’izany taratasy izany :

********************************

Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7

Repoblikan’i Madagasikara

Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana

Le Président de la République

Ry Malagasy nitolona ho an’ny fahafahan’ny Tanindrazana,

Andro fahatsiarovana ny andro androany 7 Febroary 2014. Koa na dia tsy miaraka aminareo ary ny tenako, dia ambarako fa miray fo sy saina aminareo mpiara-nitolona rehetra aho.

Mahatsiaro manokana ireo fianakaviana niara-boina sy ireo mbola mitondra takaitra. Aminy maha tany tan-dalàna ny Repoblika sy manaja ny zon’olombelona an’i Madagasikara, dia manohitra ny toetra mamoafady, tonga hatramin’ny fandatsahana ny ràn’ny mpiray tanindrazana; ny fampisaraham-bazana ny Malagasy; ny fampiasana erisetra; noho ny hevitra tsy mitovy sy ny ambo-po politika.

Mijoro aho, ankehitriny, efa voafidin’ny Malagasy ho Filoham-pirenena hamerina sy hamitrana ny fihavanam-pirenena. Miantso ity zanak’ity Nosy ity aho, hitondra am-bavaka ny firenena mba tsy hiverenan’ireny toe-javatra ireny intsony ary hafahan-tsika miara-miasa amin’ny fampivoarana ity tanindrazana iombonana ity. Koa aoka isika hiara-hisalahy, hibanjina ny hoavy ampahatokiana ary hanaja hatrany ny fihavanana malagasy.

Dia mankahery antsika rehetra.

Ho ela velona i Madagasikara.

Antananarivo, faha-7 Febroary 2014

Ny Filohan’ny Repoblika

Excellence Hery Rajaonarimampianina

***********************************

Anaran'ireo Malagasy miisa 36 (antitra, lehibe, tanora, lehilahy, vehivavy) maty voatifitra teo Antaninarenina

Anaran'ireo Malagasy miisa 36 (antitra, lehibe, tanora, lehilahy, vehivavy) maty voatifitra teo Antaninarenina

Ny Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7
Koraonina amin’ny anaran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, napetraka teo amin’ny tsangambaton’ny 7 Febroary 2009, manoloana ny Lapan’Ambohitsorohitra

Koraonina amin’ny anaran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, napetraka teo amin’ny tsangambaton’ny 7 Febroary 2009, manoloana ny Lapan’Ambohitsorohitra

Vidéo sy fandikana an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison – Jeannot Ramambazafy

Share this post
Repost0
To be informed of the latest articles, subscribe:
Comment on this post
S
Education can get to be direct in case you continue working for it. You can get everything from the education you have picked up. Education functions as a system in the midst of you and your fantasies.
Reply